fid é lis - ANDRIANIAINA Fidelis
Lazalazao hoe ny anaranao
fidy: hono ho aho ry lisy
mitokatoka-monina
mandinika ny misy
sa mitsaoka monomonona
no miavaka amy maro
sy manajanaja tena
mandà tsy hifangaro
amy vonindraozy mena
lisy: izaho anie ry fidy
no mitokatoka-monona
dia lisy lafo vidy
miavon olona hatonina
sady fotsy ny fitafy
ka sarotra isangiana
raha sendra izay mpigafy
moa tsy ho fara-fahoriana
fidy: pahina aho angamba
niandry nanantena
ny endrika hatrangan
itsy vonindraozy mena
o! ry zaridaina
hizarako mihitsy
ny hamangy anao maraina
mba hi-fidy-lisy
renaldi 2004
Mombamomba
Mpanoratra : ANDRIANIAINA Fidelis

Nampiditra : renaldi
Daty : 30/04/2005
Mpamangy : 1369
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
manantena inona?aiza toa very?
mainty
soratro