MALAGASY MIVAOTRA (RK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ra malagasy,ry malagasy mivoatra
Sao dia tsy mety ny fitraotra
Mivoatra toa manimba tena
Mivoatra toa mihenahena

Maro ireo malagasy toa irony
Maro ireo tsy miteny gasy intsony
Maro ireo maka endrika vahiny
Miheritreritra tsy manan-tsiny

Jereo izato fitafiny sy ny endriny
Tsy fantatra ntsony hoe gasy ve ny reny
Ra malagasy ah! mba ovay ito fitafy
Fa maha menatra manjary miafiafy

Fa ho aiza ianao ry malagasy
fa toa mbola tsy afaka amin'ny sampy
Eny!tena malagasy tiako
Fihiniko ary tsy ariako
Malagasy andriandraiko
Malagasy ny reny sy raiko
--------
Rohy:
Sokajy : Malagasy
1202 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RK
Nampiditra : Joda400
Daty : 14/02/2016 08:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113