Modia! (Andriniela)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Modia!

Any ianao ry tiana,
Izaho aty tsy miova fa mbola tia hatrany.
Mbola miandry ihany
Izay mety ho taratr'andro hoentin'ny maraina
Hizara fifaliana,
Fa ny aty dia ory...
Mahatsiaro isanandro
Irony taratr'andro
Nindaosinao nankany.

Ireo voninkazontsika tery an-jaridaina
Nony lasa ianao dia ringitra sy maina,
Fa lasana mpikolo,
Ka lasa hatramin'ny lolo
Sy ireo tantely mpamangy antsika teo
Ka zary mankaleo
Ny tsy eo anilanao.

Malala a! Miangavy,mitalaho,
Miverena an-tranonao
Fa efa olom-baovao
No miandry anao izao!

Ireo ditrako nafoiko
Ireo teny ratsy nosoloiko...
Ianao no tsy afaka ao an-tsaiko
Ka mba modia ry sombinaiko!

Andriniela.
--------
Rohy:
1198 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriniela
Nampiditra : Andriniela.
Daty : 23/10/2014 15:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138