Fitaka (Andriniela)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny masonao akia
Dia toa mitaratra fitia...
Malefadefaka fijery,
Toy ny hazavana mankahery.

Ilay tsiky toa hilaza zavatra
Sy noheveriko hahasambatra,
Lazaiko ho bitsiky ny fo,
Kinanjo,inona ary moa!?

Fa noheveriko ho vony
Hamoaka hanitra ao am-pony...
Dia tena babo aho ka nibitaka.

Hay,tsilo nohaingoana lisy
Nandratra ny aty fo,indrisy,
Tsiky sy fijery fitaka!

Andriniela
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1294 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriniela
Nampiditra : Andriniela.
Daty : 21/10/2014 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097