Noely miangatra (Z'Andrigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Noely miangatra"

Ô ry volanô, ô ry kintana
Ô ry anjarô, ô ry vintana
Ô ry ray ô, ô ry anjely
Mba iantrao ity zazakely
Fa niangaran'ny dadabe Noely
Tsy nomeny kilalao velively

Andriamanitrô aza atao vazivazy
Iangaviako ianao mba hanontany azy :
Rahoviana aho vao hahazo
Sa mbola hilalao tapa-kazo

Iza marina ity DADABE NOELY RATSY FANAHY?
Nizara kilalao nefa TSY NANOME AHY
Ireto zaza namako toa maneso
Ny alaheloko hoe refeso!
E! Avelao aho hitanondrika, avelao hitomany
Fa angamba koa efa sitraky ny avo izany.

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1148 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Z'Andrigasy
Nampiditra : gasigay
Daty : 06/12/2016 14:45
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138