Ianao ilay... (Anonymous)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay niserana,ianao ilay nandalo
Teo anoloan'ny masoko
Ny endrikao no nahajamba sy nampimalo,
Ny masom-panahiko.
Ny fijerinao mahery,sendra nitopy.
Tamin'ny fijeriko iva.
No nahatakona sy nampitsilopilopy
Ny masoandro takariva.

Ianao ilay niserana,ianao ilay nandalo,
Eny,ianao ihany...
Ny famindranao toa mitory sy mikalo
Ny hakanton'ny tany.
Fa hitako amin'ny endrikao avokoa,
Izao tontolo izao...
Ary tazako ao anatin'ny masonao roa...
IZAHO...sy IANAO...

Ianao ilay niserana,ianao ilay nandalo;
Ianao tokoa tokoa.
Tiako loatra ianao ka tsy sahiko atakalo...
zavatra hafa koa.
Eny tiako loatra ianao,na tsy mahalala akory:
Ny fisiako eto an-tany;
Ny sarinao tsy afaka ato an-tsaiko,no hanala sorisory...
Rehefa izaho tomany...

Ho an'ilay NISERANA
--------
Rohy:
857 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Anonymous
Nampiditra : TKNARNDIMNA
Daty : 30/10/2013 09:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093