Oram-pahavaratra (Anonymous)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry orana mitraho, oram-pahavaratra
Aho izao mitalaho, te hahafantatra
Valio, fa vaka sy miahotrahotra
Ory fa tia, fitiavana sarotra

Voady sy dina
Sa fitiavana mangina

Nofy mahatamàna
Tandidom-pahotana?

Fitempon'ny fo
Sa anatry ny saina?

Ilay tsy folaka fa milefitra
Ty manan-tsiny, tsy tohaina?

Very ny hevitra, vaka ny saina

Ary toa ranomaso no avalinao izany
Ry oram-pahavaratra mampitomany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
977 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Anonymous
Nampiditra : miinspiraka
Daty : 14/12/2009 13:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013