Antsan'ny manina ! - Antsa tononkalo.R
Miantefa ankoatrahoatra
Iny tara-bolana iny,
Mampisento ny olo-manina...
Ny fanahy misendaotra
Mahatsiaro ny fisiany,
Eto ivelan'ny aro fanina...
Ny sentoko misoko!
Toa mitatitra impiry?
Ny isan'ny elanelantany
Misy ny eto sy any aminy...
Feno azy ny embom-poko
Ka manomboka mikiry,
Mandefa ny vinany
Ho eny an-danitra sy taniny...
(misendoatra ny fanahy,... ;.... .........)
Te hanoratra diary,
Izay mivetso fahatsiarovany
Sy izay tontolo rehetra misiny...
Te handoko sarisary
Hiangaly ny salovany
Fa te hahita indray ny tsikiny...
Misendoatra ny fanahy
Mahatsiaro ny fisiany,
Eto ivelan'ny aro fanina...
Oh! mitobaka tsiahy
Iny tara-bolana iny,
Naharendrik'olo-manina...
Antsa tononkalo.R
(2015)
Mombamomba
Mpanoratra : Antsa tononkalo.R

Nampiditra : antsa tononkalo.R
Daty : 31/01/2016
Mpamangy : 1741
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Malala FahizayEisy e! Ry lala!
Amoron-takariva
"Mpamaliha"
TONONKALO, anefa hira
Hianao no tononkirako
"Mialohan'ny zavatra rehe
"Oram-panala"
TIAKO HITOETRA
Teny,