Hatramin'ny nahalalako anao, (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatramin'ny nahalalako anao, ny takariva etoana ;
- Dia velona sy niavaka.
Tsy toy ny alina fahiny... na ny tany na ny lanitra.
Hatramin'ny nahalalako anao, no nananako finoana ;
Fa, fitiavana andriamanitra... Ary be ny fitahiany !
Ka maniry anao ny foko, manantena valim-bavaka ;
Hatramin'ny nahalalako anao,
- R'ilay zanak'olona iny !

Hatramin'ny nahalalako anao, no tsapa sy tsaroako ;
- Fa ny nivadika ho nofo.
'lay vato hobok'aty... ka nitempo anao mangina.
Hatramin'ny nahalalako anao, no nanomboka ninoako ;
Fitsanganana amin'ny maty, sy ny hoe mandrakizay...
Ary koa manaporofo, ny hamarinan'ny fisiany !
Fa ny foko mihitsy 'zao,
No tsapako fa miaina... Ary velona indray ;
Hatramin'ny nahalalako anao,
- Ry zanak'olona iny !

Hatramin'ny nahalalako anao, no tsaroako vaky akora ;
- Ao anatiko ao ny lyra.
ka mivetso anao mangina, ny ambain'ny fitiavako,
Eny, hatramin'izany
ora, ary mbola ankehitriny !
ka ventesiko eto 'izao,
fa hianao no tonon-kira... Ary mbola tonom-bavako ;
hatramin'ny nahalalako anao :
- R'ilay zanak'olona iny !

A T.Rasahobiarinjaka 02/2018
--------
Rohy:
1449 1
Mpakafy: Ajnal
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139