"Mazàna nofisiko" (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Mon rêve familier, PAUL VERLAINE",

Nofiko foana rehefa matory
Nofy hafahafa mazàna nofisiko
Ilay tovovavy tsy fantatro akory
Kanefa mahalala ny tontolo misiko

Ny endriny nefa dia toa miova hatrany
tsy tena mitovy, fa tia sady tiako
Kanefa tsy hafa, fa dia izy ihany
Mahalalan'ny foko, ary koa ny fisiako

Mahalalan'ny foko madio tsisy miery
Ho azy irery, kanefa, indrisy fa olana ho ahy
Ity, izato foko voatokana, ho azy irery
Raha toa tsy ho ahy, ilay anto-mpisiko, famenom-
panahy.

Fotsy ve izy, manga sa
zarazara?-tsy fantatro loatra.
Ny feony, malefa-firitsoka toa sasa-miandry?
Miangola,miangavy miantefa any ankoatra
Ny fijeriny manja toy ny volana? -mihoatra!
Tsaroka ny anarany... Mampody mandry.

Antsa Tononkalo.R 18/01/2019
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102