Tsy avy miaina aho raha t (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy avy miaina aho raha tsy misy anao;
Toy ny felana raozy sy vonina lisy,
vonikazo ny foko... Raha ilaozanao:
malazo, mariry, misento...Indrisy!"

ianao dia ianao re ny tara-masondrony
ilaozy,dia andraso... tsy ela dia halazo
ho inona intsony izay tombon'androny
Raha alina ihany no sisa mivazo

aminao dia aminao no nanorina faka
ny anjara sy tendriny
raha ianao re no lasa , mihitsy dia vaka
ho maloka ny endriny

F'ianao dia ianao ,re no nampisy lanja
koa ho inona ny aina?
Raha toa ka tsy hombàn'ny tsikinao manja
mba inona koa ny maraina!

Ianao ary ianao manontolo no rivotra hiainany
koa inona moa raha toa ka...Indrisy,
ianao dia ianao re no banga amin'ny fiainay
ho inona moa fa... tsy misy!

Ilaozy aho ilaozy e! raha tianao ho faty;
ny lisin'ny foko, ny raoziny koa,
F'ianao manontolo no velona anaty:
ao no maniry dia ao no mamoa...

A T.R /12/2017
--------
Rohy:
878 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144