DISO FITIA (Aro-Zo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hanaiky azy ianao
Miangavy an-tanan-droa aho:
idifio ny lalako

Manahy aho mantsy sao
Tsy ho haiko ny hamefy
ny hambom-po adalako

Raha izy no tinendry
Hiombonanao fo,
saina sy fanahy

Hangina aho f'olon-kendry
Ka tsy haniry foana
ny tsy natao ho ahy

Samy tia 'nareo
Fa isika kosa:
mpanonofy sy nofisina

Ka tsy hiara-peo
N'inona hovolena
n'aiza hohamafisina

Raha toa 'nareo ka hiombona
Iereo ny fijeriko
hataoko fiononana

Ho tsabo hampikombona
Ny ratran'ity foko
diso fitonantonana

Aro-Zo(septambra 2018)
--------
Rohy:
650 1
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 22/08/2019 12:50)
:)
Aro-Zo ( 22/08/2019 13:34)
Nikorontana ny firafitr'io tononkalo io noho ny finday nandefasana azy.Ialana tsiny
raims randriamalala ( 22/08/2019 13:44)
Toro hevitra kely ho anao, raha manana adiresy mailaka ianao dia azonao atao tsara ny mandrafitra ny tononkalonao ato, izany hoe somary alaminao ato anatin'ity vetso serasera ity izany ny sangan'asanao,
ianao anefa tena manana ainga tena mahafinaritra be, misy azoko ihany lay izy rehefa tena novakiko, raha ny fahitako azy eto mantsy dia ohatrany mahita tononkalo roa samihafa izany aho ko,
raims randriamalala ( 22/08/2019 13:45)
mazotoa mamerina ry aro-zo a, mahafinaritra be lay tononkalonao fa tohizo dia avereno raha mety ho hitan'ny mpamaky :), :p
hery ( 22/08/2019 14:50)
Nahitsiko kely, tokony ho ok.
Azo ahitsy raha misy olana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aro-Zo
Nampiditra : Aro-Zo
Daty : 22/08/2019 10:03
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137