Hany hafatra mba tiako (Atrika.NTA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hany hafatra mba tiako
Ho ren'ny sofinao
Dia ny teny hoe :
"Mivavaha, mahareta"

Hany hafatra mba tiako
Ho fantatr'ialahy
Ilay soratra hoe :
"Miverena, miantra"

Hany hafatra mba tiako
Hozaraina ho an-dry
Teny iray mafonja
"Matokisa ho doria"

Hany hafatra mba tiako
Tantaraina ho anareo
Ka tsy asiako hambahamba
"Mikasà, manovà"

Hany hafatra mba tiako
Hosoratana ka avoaka
Hofantarina isan'andro
"Mavitrihà, masahia"

Hany hafatra mba tiako
Ho faneva ho antsika
Tenenina matetika
"Mitambara, mitsangàna"
--------
Rohy:
814 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Atrika.NTA
Nampiditra : AtrikaNTA
Daty : 24/10/2013 10:35
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097