Nampiditra : AtrikaNTA
Daty : 24/10/2013 10:29
Nijery : 1521
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Atrika.NTA

Mitondra ny solon'anarana hoe Atrika, roapolo taona mahery.Mbola mpianatra eny amin'ny Oniversite Akatso ao amin'ny Fakiolte ny teny aman-tsoratra.Atrika ny fiainana misy ny toe-javatra atrehana ny mamy,tsy azo hialana koa anefa ny mangidy.Ary ny mangidy tsy maintsy ho laitra sy hodingianina hahatratrarana ny tanjona.
Ny taona 2004 no nanomboka nanoratra.Soratra tsy nokaliana fa natao ho fanalana ny andro.Noho ny fahitana teny am-pianarana ny asa soratra Rado,Dox,Clarisse,Nalisoa Ravalitera,.. dia niroso ny fitiavana nanoratra.Ankehitriny mbola manoratra.Na tononkalo na fehezana soratra rap ary maniry ihany koa ny hanoratra anaty Gazety.
Hoy aho hoe : "tsy ny anarana na ny olona no zava-dehibe anaty ny asa soratra fa ilay ventin-kevitra sy fomba fanehoana azy".
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/atrika.nta
Hevitra farany
AtrikaNTA ( 24/10/2013 10:33)
Ny fiainana fifanohizana dingana maromaro,ary ny tsirairay no ho tompon'ny ho aviny.Izaho mamorona ny ho aviko,Ianao hamorona ny ho avinao ary ny fiarahatsika manangana vainga iray no hampijoro ny ho avin'ny Malagasy ka ho Madagasikara soa ny tanintsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133