k'zaho ve? (Avylavitra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
K'zaho ve?

Nijery aho dia nahita
f'ireo be sandry sy be fikafika
dia miezaka hatrany hamotika antsika

Dia nijery aho, mbola nahita
f'ireo be hatoka mpangoron-karena
manindry tsy miato 'zay te hiavo-tena

dia mbola nijery aho fa tsy nahita
na iray aza tamintsika
sahy hitsangana sy mba hiteny
hamaky bantsilana ny toy ireny

k'zaho ve?
'zaho no antenaina hitarika foana?
'zaho no atosika ho eny anoloana?

ny vavako ny ahy no haiko ampiasaina
k'aleoko mijanona ho mpanolotsaina
tsy eken'ny saiko ny hoe latsak'aina
ho an'ny maro...tsy mahay mifangaro.

Hijerijery aho ary enga hahita
fa mbola hitambatra ihany 'reto isika.
Am'zay aho angamba ho sahy hitanty
na hamoy aina mihitsy ho faty
sy ho latsak'aina
ho an'ny maro... lasa nifangaro.


Avylavitra
(07 jolay 2007 06h 54 mn AM)

Atolotra manokana ho an'ireo zatra miravaka ny vangim-boay matin'ny sasany
--------
Rohy:
3382 2
Hevitra mandeha
endrika01 ( 03/10/2009 06:40)
Marina tanteraka,de izay ilay politika feno fikafika ny be hantoka mou.Tsara lay vetsonao,
endrika01 ( 03/10/2009 06:41)
Asio hafa indray!
endrika01 ( 03/10/2009 06:44)
Aleo marina,mijanona ho mpanolontsaina,zah miombon-kevitra ny aminio.De tratry ny fety ihany kou, 03 Oct 2009,faha 10 taona ny serasera.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Avylavitra
Nampiditra : avylavitra
Daty : 20/08/2007 18:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095