Aza atao Fantany.... Ra (Aza atao fantany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza atao Fantany....


Raha mankany ianao
Ireto no mba hafatro
Raha itanao izy mba lazao
Efa sitrano hoe ireo ratrako
Nadinoko hoe ny anarany
Naleviko koa ny fitia
Eny na tsy asiny sarany
Lazao fa efa tsy manahy
Efa sitranao hoe ity foko
Fa afeno azy izao masoko manganohano eto ampitanisaina ireto hafatro
Aza lazaina azy hoe mbola nitehiriziko ato ireto sariny
Fa lazao efa nandao azy ny fitiavako....
Fa izany no mendrika sy rariny


Aza tantaraina any izato endriko maloka lava
Eo ampijerena ireto sariny
Mirediredy manembona ireo lasa....
Ity tavako tsy mba mirana
Fa resin'ity ketokin'ny fijaliako
Aza lazaina azy hoe sahirana...
Aza lazaina izy hoe mbola tiako....

Lazao fa efa lasa ho lavenona
Ireo fitiavana miredareda tato am-poko
Lazao fa efa tapaka tsy atenona
Ilay fitia mangidy izay nosedraiko....
Aza atao tsapany ity fo mbola torotoro
Azerazeran'ity ngidim-piainana
Sy ilay fitia efa lasa mbola mandoro
Mahabe fanaintainana....



Lazao hoe sambatra sy faly
Fa ny fahasambarany koa hoe no fahasambarako
Aza atao fantany izato ketokin'ny jaly
Izay efa niloman'ny tantarako


Lee Andrianalaina
14 septembre 2021
--------
Rohy:
413 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aza atao fantany
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 14/09/2021 12:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281