Manembonembona anao... (AZRAEL)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa ho maizina ny andro,Madiva hisoka ilay masoandro,
Rehefa irery iny aho,
Dia manembonembona anao!
Dia tsy tana ny aingam-panahy,
Fa lasa tsy nahy...
Mandeha mankany mankany,
Dia aminao no hiafarany!
'Lay endrikao iny ry tiana
No azo sary am-pandriana,
Manatona ahy toa hitosy,
Nony hatoniko, hay! Ka nofy...
O!O!O! Izaho manina anao!
O!O!O! Te hahita anao!
--------
Lien:
Fans:
Azrael666
