Ry olon-tiako (azuno)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
o!ry olon-tiakotena tiako ianao ka faniriko
ny hiara-dalana aminao mandrakizay
ka hitambaran'ny fontsika roa hanjary ho iray
fitiavana mandrakizay no nitiavako anao
ka tsy ho levona izany fa efa lalina am-poko ao
tsy vetsovetsom-po fotsiny ihany
fa tena haharitra hatrany am-parany any
raha misy ny adalana nankarary fo
adinoy izany fa efa maty sy efa loa
ny ho avintsika no aleo banjinina
mba tsy hisy intsony ny anao azy ho tsinotsinona
tena tiako raha hasandratra ambony
ilay fitiavantsika fa tsy ho koboinina intsony
aleo ho tsapan'izao tontolo izao
fa tena lehibe ny fitiavako anao
efa voafidy ianao fa hotolorako fitia
ka tsy ataoko hanaitra intsony ireo mankafy
satria ianao no nanolotra ny mamy
ka nanadinoko ny alahelo sy tomany
natao t@18 mai 2004
r.nix
--------
Rohy:
Mpakafy:
Arimalala