Tsy ambara telo - azuno
Azo vakiana?
tsy ambara telo ny fitiavako anao
tsy fantatr'iza fa fantatrao
ilay niriko hiroborobo ka hatramin'ny ela
izao ny foko lasanao tsy misy tavela
tsy ambara telo fa ianao no iriko,ho andry iankihinako
tsy ambara telo fa raha anilanao aho tsy ho sahirana
hiara-hisedra ny ho avy anaty fitiavana
ary inoko fa tsy ho ravan'ireo mpampisarabazana
tsy ambara telo fa na betsaka aza ireo mbola manolotra ny fony
ny ahy efa voatokana ho anao hoy ny avy any ambony
ny fitiavako anao efa matotra n'inona hitranga
ho sanatria zany hoe hijangajanga
fa ho hendry aho ary hanaja,ho toy ny anjely
mahazo matoky ianao fa tsy ho irery
tsy ambara telo fa tsy andriko ilay fitambarana
ary @zay andro izay no ataoko hoe fahasambarana
hanomezana ilay peratra hoe roa, hanjary ho iray
ny vavaka atao dia haharitra tokoa anie ka ho mandrakizay
natao t@ 26 jona 2003
r.az
Mombamomba
Mpanoratra : azuno
Nampiditra : azunoDaty : 05/02/2005
Mpamangy : 2878
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ry olon-tiakoIlay hafatra
Tia
Poëme d'amour
Séparation