RAFOMARARINIAIKO - Bade RaAnRaMa
Azo vakiana?
RAFOMARARINIAIKO
Ity no ferapara ,
Ity no peta_drindrina...
Sisa haparitaka ho ren'ny manodidina fa
Maty tsy tra-drano ,
Tsy nialana nenina ,
Tsy nisy itomaniana fa tonga de nalevina
RAFOMARARINIAIKO....
Ity no fampitana ho an'ny voary rehetra fa
Rafomarariniaiko de voavetavetan'
ny tsy mataho-tody imason'ny vahoaka,
Tsy nisy sahy nanakana,
Tsy nisy sahy nitroatra
Ka tapitra ny ainy ....
Eny...
Ity fara-saona ,
Vetso itambarana
Alohan'ny hikatonan'ny varavaram-pasana
Itoeran'ny diary niarahana namita ,
Veloma faramparan'ireo voary rehetra anaty paradisa...kanefa ....
....kanefa...
...ity no fampitana
No sady fampiononana ireo zay malahelo
F' i Fomararariniaiko
I Fomarariniaiko...
Rafomarariniaiko tsy maintsy mbola hitsangana
Amin'ny andro fahatelo!
Bade Raanrama
habaky ny Fanahy
Mombamomba
Mpanoratra : Bade RaAnRaMa
Nampiditra : bade RaAnRamaDaty : 12/04/2018
Mpamangy : 531
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY MI -LNY FE TSY BOKY
TSY PISO
MANJA