You are here: home > Vetso

TSY MI -L - Bade RaAnRaMa

Azo vakiana?

TSY MI-L

fa efa voasoratra hoe:
"Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"

...
Aza mandry lava fahagagàna avy any an-danitra,
F'izao fisiana izao tsy efa zava* mahagaga?
Ny saina sy fanahy, ny sandry no aoka hamaritra
Ny lalana makany amin'ilay " hanina sahaza"!

Firifiry (ny) nofy tsy hary nofo hatramin'izao
Nandrasana kotrehin'ny finoana TEVIALA?
Ity anio ity no maraina vaovao
Hitanehana indray ilay " antena" mamanala.

(...)

Dia aza maka lagy amin'ny fiainana mandalo
Na handany ranomaso amin'ny olona tsy taitra,
Fa etsy ianao hiantsako andinin-tononkalo
F'itony odim-po amin'ilay mahery vaika!

Bade


Mombamomba

Mpanoratra : Bade RaAnRaMa

Nampiditra : bade RaAnRama
Daty : 12/04/2018
Mpamangy : 513
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAFOMARARINIAIKO
NY FE TSY BOKY
TSY PISO
MANJA