You are here: home > Vetso

Ianao ilay gasigasy iny - bidich

ianao raha mandeha
tsy mba mirehareha
ianao ilay gasigasy iny

ianao raha miakanjo
ziponao manasa-dranjo
ianao ilay gasigasy iny

ianao tsy dia be teny
fa voaanadray sy reny
ianao ilay gasigasy iny

ianao tsy tia sexy
na mivoaka boite de nuit
ianao ilay gasigasy iny

ianao raha mandihy
dihy soroka r'ity
ianao ilay gasigasy iny

volonao bango tokana
fa tsy mba maro tohana
ianao ilay gasigasy iny

ianao raha mihomehy
tsiky tokana dia hoe...
ianao ilay gasigasy iny
assure-ko mbola virijiny

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : bidich

Nampiditra : bidich
Daty : 19/12/2003
Mpamangy : 1439
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Fa ny fitiavako