Mahazo ianao (BILA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAZO IANAO

Mahazo malahelo
Fa tsy mahazo mamoy fo
Ahisino aloha ny lelo
Dia atrakao ny loha

Mahazo mitomany
Fa tsy mahazo kivikivy
Mila mandroso hatrany
Na dia mangidy rarakivy

Mahazo koa mitezitra
Fa tsy manao an-dolom-po
Saino aloha izay hevitra
Mba hampiditra ny soa

Mahazo koa migiaka
Hanadinoana ny olana
Rehefa avy eo mitraka
Fa io tsy vahaolana

Mahazo mitaraina
Fa rehefa avy eo mandihy
Aza iasana saina
Izay mpihantsaravelatsihy

Avoahy izay ao anaty
Raha toa tsy zaka intsony
Fa ireny no mahafaty
Sy mampisy lonilony.

BILA
--------
Lien:
146 1
Fans: TosakaMg
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : BILA
Inséré par : TosakaMg
Date : 21/10/2025 09:47
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109