You are here: home > Vetso

ILAY DIA-PENIN'OLON-DROA - bobone

Azo vakiana?

ILAY DIA-PENIN'OLON-DROA

Andriamanitra o!
Eto anivom-pahanginana
takariva matro-bolo
no iantsoako anao
Toa zary nanombinana
ny hasambarana nokatsahiko
nefa indrisy hatramin'izao
nisolo ngidy toa mafaitra
mila tsy ho zaka intsony

fa ilay fanilo nanazava ity lalana aloha no nidify ilay sakeli-dalana
niarahanay namindra
ka zary sento omban'angeli-kary no sisa nandre ity feo mikasom-pisentoana

Gaga loatra aho ry Ray
fa ilay fiainam-pahasambaranay
toa nentin-draho-nitambolona any

izaho irery sisa
no mamisazisa
ilay tositosim-pifaliana
ilay fingotingotiana...!!!
dia voakotsan-drano-mainty
ilay takelam-pahatsiarovana nosonoratray FITIA
tsy nahitana intsony ilay DIA-PENIN'OLON-DROA


e! atao ahoana moa
mangina rehefa voa e!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : bobone

Nampiditra : bobone
Daty : 14/10/2005
Mpamangy : 1249
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

hafatra/FA HO TIA ANAO MANDRAKIZAY
Mizarà
TIako ianao