VOLONDRAHOMITOLOKO (BSR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Volondrahomitoloko ,
iny andrefandrefana iny ,
Ny alaheloko misoko
Ranomaso no hiriany
Tsy hidongy aho tsyakory
Fa mandefa vinany
Maniry ny ho any
Nefa indrisy be tomany

Indrisy mantsy ry ilay miafina
Ilay tsy lavitra fa takona
Eny ataovy ambony ny fanantenana
Fa tsimaintsy hoavy ny maraina
Dia io ilay maraina nandrasako
Natokako ho anao rahavako
Mba hahalalanao fa ny aty tsy hosoka
Na dia mena mihosombovoka
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Ady
1175 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BSR
Nampiditra : romeobera
Daty : 27/03/2006 12:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0231