vavaka politika (H.J Myrai)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka politika
Zanahary o !
Ampio re izahay
Ataovy feno loza ‘ty tanindrazanay
Mba hahafanay miseho
Manampy ireo traboina aveo
Dia ireo mahantra koa jereo
Aza avela androso ireo
Mantsy izahay ho very lapa
Raha ireo no ahazo laka
Ny fahandriam-pahalemana
Aleo mihitsy tsy hilamanina e!
Mantsy izahay ho very sera (1)
Raha ‘reo dahalo no resena
Ty tanindrazanay aza avelanao hiarina
Manjary very ny fihinanana
Mantsy zahay hikombom-bava
Tsy afaka hitabataba
Izany tompo o!ny vavakay
Izay any fangatahanay
Aleo andeha ny dobo rano
Aleo hande ny rava-trano
H.J Myrai
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy
538 2
Mpakafy: celestinmyrai - HJMyrai
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : H.J Myrai
Nampiditra : HJMyrai
Daty : 20/02/2020 08:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016