NY MARAINA TSY HO AVY (Christian RAKOTOVAO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona no hany andrasako amin'izao tany izao
Ahoana no hanantenako ny maraina vaovao ??
Ahoana no hahazoko toky fa ho manga izany lanitra
Ka hivaly zany vavako, ka hanampy ahy Andriamanitra ??

Moa va tsy efa simba zay mba kely nohariana
Ka ny sisa mba tavela mampitondra fahoriana
F'ilay saika mba hanirina toa lasa nampivandravandra
Ka ny kely mba nangirana aza zary lany manja !

Moa va tsy efa izany foana no nandrasana hatrizay
Hoe mbola ho avy ny fotoana mba hamiratra amin'izay
Mba nivadika ihany mantsy zany andro sy ny volana
Kanefa omaly tsy miova, vao mainka aza niampy ny olana.

Mbola tokony hanantena hono, raha toa ka mbola velon'aina
Kanefa mitsipozipozy no sady mbola rera-tsaina
Inona ary no andrasako amin'izao tany izao
Ny maraina tsy ho avy ny hariva anefa handao ???
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana
1129 1
Mpakafy: istraky
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Christian RAKOTOVAO
Nampiditra : istraky
Daty : 24/04/2008 11:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127