Ny adidintsika (dahfara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa tonga ity ny fotoam-pahavaratra
Sokitsokiro daholo ny tatatra
Ny sase sy tavoahangy plastika
Aza ariana eny sao hanahirana antsika

Ô ry kaominin'Antananarivo
Ny adidy sy andraikitra ampahatsiahivo
Ny mponina ety @ faritra iva
Averimbereno maraina sy hariva

Raha misy kamiao hitanao eny andalana
Hanototra tany tsy nahazoana alalana
Ka mety hanentsina ny lakandrano
Sakano fa sao koa hampiditra angano

Ireo trano miorina tsy aradalàna
Amin'ny tevana na eny ambany tanàna
Andraiso fepetra sao hampiditr'andro
Fa loza manambana antsika isanandro

Samia ary isika izay mahatsapa tena
Fa manana adidy @ ity firenena
Hanaja fahadiovana sy ny lalàna
Dia hilamina sady hadio ny tanàna !!!
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
795 1
Mpakafy: dahfara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : dahfara
Nampiditra : dahfara
Daty : 25/03/2016 19:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131