SINTAKA (Dinitra Manjaka)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho Lavitry ny ankaso
Tsy ho azon-tebiteby
Tsy amihan-dranomaso
Tsy ho azon-tabataba

Sintaka mangina
Andositra ny sento
Hiala fijaliana
Handao indray ny eto

Hitoetra ho olondrery
Milamina aok'izany
Nandrava izay mahery
Mpandatsaka tomany

Raha babon'olonkafa
Ka hamafa ny fisiako
Mitso-drano tsy ahatsapa
Ankaso toy ny fijaliako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
759 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dinitra Manjaka
Nampiditra : Maiaty
Daty : 15/07/2019 12:06
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1229