Vavaky Ny Resy (Dinitra Manjaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray Ô!! Na Ontsan'ny hakiviana aza ny foko efa trotraka
dia mbola miantsoantso anao
ka nefa Ray henoy
ity zandri-kelinao
fa mahatsiaro tena ho resy

Ny Fiainana Mikaka
Ny Fahantrana Koa Manjaka
Ka mitady ny antranao
Eee... Tena Mila Ny Havotrao

Omeo Anay Ny Sahaza Anay
Kanefa Ray Tsy Ny Tianay
Fa Izay Tena Sitrakao
Ho An'ity Zandrinao

Hivavahako Koa Ny Ampitsoko
Mba Hisy Tara-pahazavana
Eny,anao Koa Ny Androko
Ka Mba Tantano Mba Tsimbino
--------
Rohy:
1770 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dinitra Manjaka
Nampiditra : Maiaty
Daty : 23/02/2018 13:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103