Voady (dodanina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOADY


Eken’ny fo sy ny saiko
Ary ho voarakitry ny daty
Ny anolorako ny aiko
Ho vady mandra-maty

koa,

Havaoziko eto anio ny fitiavako anao
Fitiavana madio , soa sy vaovao
Ny andro sisa rehetra , iarahana mamindra
Ilay fitia izay tafatoetra, tsy afaka mifindra

Havaoziko ry tiako ny toky izay nomeko
Ianao no fifaliako, ianao no fandreseko
Ny androntsika izao mandalo foana ihany
Ho tena tia anao rah’mbola eto an-tany

Havaoziko eto izao ny hery izay ananako
Hitiavako anao, hitiavako ny zanako
Na sarotra ny dia, na mora ny atao
Hitahiry ilay fitia hitoetra vaovao

Havaoziko ihany koa, ilay « Izaho » manolotena
Ho madio saina , vatana sy fo, fanahy feno fahendrena
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1534 0
Hevitra mandeha
vetsoko ( 13/12/2005 14:37)
ho tanteraka tokoa anie izany, amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : dodanina
Nampiditra : dodanina
Daty : 13/12/2005 10:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102