MBOLA HOAVY (Doloïer )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" variana dia variana aho nitadidy antsika teto sy ny tafasirintsika " Dox in Eto an-davarangantsika.

MBOLA HOAVY

Mbola hoavy ny andro sy ora mangina
Ampanembona antsika ny andro efa lasa
Sentosento mangina sy minitra sina
Nohon'ny toerana sy anjara, ny lalana voarasa

Mbola hoavy ny andro sy sengodra tsy tana
Segondra tsy handrenesam-peo tsy tomany
Embonembona tsy tana, tsiarotsiaro ny tany antanana
Ary alokin'ilay tsikitsikintsika tany hoany

Mbola hoavy ny andro sy takariva mena masoandro
Ampiraraka tomany, noho ny sangisangin-tsiaro
Alahelo mibosesika,maha mena maso, tsy foana isan'andro
Ny Embona saro-piala, ny fo Tia saro-piaro

Mbola hoavy ny andro sy minitra ampahory
Ampatsiahy atsika indray ny andro taloha

Nefa mialohan'izany:

"Androanintsika" ny androany.
Ny tsikinao no sary tiako hita alohan'ny hatory
Ny horokao mamy no tiako mitsena ahy vao mifoha.

Doloïer
13/03/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
948 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103