TAO ANATY SORATRAO - Doloïer
Azo vakiana?
TAO ANATY SORATRAO..
(atolotra hoan'i Zazangaly)
Tao anaty soratrao :
Nahitako rano velona mikoriana ambony vatolampy
Nahitako fanahy milomano anaty fahasambarana
Tsy ory havamanana,
satria : manana ny ampy..
Tao anaty soratrao :
Nahitako kalo iray nafenin'ny taona nifandimby
Nasitrikin'ny tany ho lova soa saro-bidy.
Toa nofy iray manjavozavo mikalo zava-marina
Nefa sarotra takarina, tinoratrin'iny fanahy tena lalina
Tao anaty soratrao
Nahitako voninkazo memerovero manitra
Sombintsombin-draozy nararikin'ny lanitra..
Ka teny amin'ny Sahan'ny nofinao no nitsiriany
Jamba vé ny tany no tsy nahalala ny fisiany..?
Tsy t'aiza(... )fa:
Tao anaty soratrao sakaiza
No nahitako ny tena poezia marina (...)
Doloïer
14/03/2018 @10ora 53 m (alina)
Mombamomba
Mpanoratra : Doloïer

Nampiditra : doloier
Daty : 07/05/2018
Mpamangy : 884
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSIMANDRIMANDRYMPANJONO ANDRANOMASINA
AZA AVELANAO..
TSY METY
"Tononkalo Betsimisaraka " VOLANGA AMIN'AZY ZANAKO
MITANDREMA POETA
NOHO IANAO
*FETRAN'NY FAHARETANA*
****OMEKO ANAO NY VOLANA
TE HAMANGY ANAO NY PENIKO