Hevitra momba ny Ohabolana fahafito

Hiverina amin'ny Ohabolana fahafito
DotMG ( 19/11/2021 08:05)
"Nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho
ary androany no nanefako ny voadiko.
Koa nivoaka hitsena anao aho
mba hitady fatratra anao ka nahita anao tokoa.
Ny fandrianako dia efa nasiako firakotra tsara,
lamba rongony misoratsoratra avy any Ejipta;
efa norarahako zavamanitra ny fandrianako,
dia miora sy hazomanitra ary havozomanitra.

Andeha, aoka isika hivoky fitia mandra-paharain'ny andro,
aoka hanaram-po amin'ny fitiavana isika.
Tsy ato an-trano mantsy ny vadiko
fa lasa nivahiny any lavitra;
ny kitapom-bola dia noentiny any an-tanany
ary tsy hody izy raha tsy feno ny volana."
Ohabolana 7.14-20

"Anaka, tandremo ny teniko
ary raketo ao aminao ny didiko."
"Lazao amin'ny fahendrena hoe: Anabaviko ianao!
Ary ny fahaiza-misaina dia antsoy hoe:
Havako akaiky ianao
mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo,
dia amin'ny vehivavy janga izay manao teny manodoka."
"Koa mihainoa ahy ianareo, anaka,
ary tandremo ny teny ataoko!
Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo
ary aza mania ho amin'ny alehany.
Fa betsaka no naripany ka maty,
ary ny mahery indrindra aza dia matiny avokoa.
Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fitoeran'ny maty,
eny, midina ho any amin'ny efitranon'ny fahafatesana."
Ohabolana 7.1,4,5,24-27.
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0098