Commentaire à propos de Menarana

Revenir à Menarana
booboo ( 26/11/2004 18:11)
merci nico a ! zà tena mpankafy E.D Andriamalala mihitsy. Dia ahoana koa ny manaraka ?
zakilinina ( 27/11/2004 00:40)
Tononkalo tsara ity an'i ED Andriamalala ity. Asa raha ho asao soratana toy izao :

"Noheveriko efa maty,
Sy voalevona ato anaty,
Ilay fitiavana mahantrako...

Ka ho potika
Sy rotika,
Ny tsiry
Nitahiry
Ny ainy tato an-tratrako."
ledada ( 24/10/2006 13:57)
tsara b le tononkalo, fa izaho manokana, raha asa soratra no horesahana, dia mihorona iray ihany ny hodi-dohako tany @ kilasy famaranana fahiny , raha vao oe asa soratr'i E.D no hiasana, tena ts takatry ny lohakeliko mihitsy ny asa sorany mantsy.soa fa azo ihany ny bakalorea, ts sendra azy.........
YASHN ( 09/02/2010 09:46)
Araka ny fahafantarako azy, angamba tsy ED Andriamalala no anarana entiny rehefa manoratra tononkalo izy, fa ilay hoe "Islo de Valiha", izaho manokana dia tena mpankafy ny asasoratr'i ED Andriamalala, anisan'ireny ny: Menarana, Vohitry ny Nofy, Voankazo Nandrarana, Fofombadiko...
mpisotrtoaka ( 16/01/2014 06:24)
Ity tononkalon'i IZY ity angamba no mahafehy azy io !

Manonja mierona tanaty
Ilay fihetsim-po tonta
Zary maika misamonta
Mitominjaka tsy tanty

Hay ilay afo tao tsy maty
Na dia antitra sy konka
Hay ilay afo tao niranty
Fa nodianao jomoka !
IZY
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0166