Ho an’ilay mpanenjika ahy… (Edena Mna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an’ilay mpanenjika ahy….
Soa fa nisy ianao, hisaorako manokana,
Fa ilay fanenjehanao totoafo loatra,
Nanampy ahy handroso, nanesika ahy hivoatra

Raha tsy teo ianao, angamba aho mbola teny antsasadalana,
Ireny teninao ireny, naratra , naharary
Fa namporisika ahy kosa mba hiezaka sy hihary

Fanomeza-mahagaga ny fisianao nanalokaloka ahy,
Nandrotika ny foko ny laza ratsy heno any ambadibadika any
Ka nahatonga ahy nikiry, tsy nahatsiaro vizaka aza fa dia nandroso hatrany

Edena Mna (Aprily 2025)
--------
Lien:
216 1
Fans: EdenaMna
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Edena Mna
Inséré par : EdenaMna
Date : 15/10/2025 20:31
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124