Efa voasoratra (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa hatramin'ny talohaHatramin'ny fahagola indrindra
No efa voasoratra mialoha
Ny fiainantsika efa voarindra
Efa voasoratra hatry ny ela
Ny fiainanao iray manontolo
Tsy misy bitika tavela
Fa voaisa hatramin'ny volo
Hain'ilay mpandahatra hendry
Ny nandamina ny fiainako
Fa nomeny ora efa voatendry
Ny fifaliana sy tarainako
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Fiainana
Mpakafy:
Azrael666
