Tena fitia (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voninkazo ihany anie itony raozy-dia,Kanefa izy androany dia hotazako satria
Hamborahako aminao ny firedan'ny fitia...
Tsotra ihany anie 'reo hira noforonina,
Tsotra koa ny tonony: tsy sarotra tononina,
Kanefa any anatiny ny hafatra ampitaiko,
Dia ianao no mamiko, tiako sy lalaiko
Haingo ihany anie ny firavaka sy peratra,
Mety ho harafesina na dia manjelatselatra,
F'ilay fitia nomeko raha toa ka raisinao
No hampamirapiratra ny foko anatiko ao...
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
Azrael666
