HIRAN'NY ANJELY=HIRAN'NY NOELY (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiran'ny anjely,Anjely marobe:
Hiran'ny Noely,
Hira mamy hoe:
Voninahitra any an-danitra,
Ho anao ry Andriamanitra,
Fiadanana ety an-tany,
Ho an'ny olona ankasitrahany!
Ireo mpiandry ondry
Tao anatin'ny aizim-be
Novangian'ny anjely
Nihira mamy hoe:
Voninahitra any an-danitra,
Ho anao ry Andriamanitra,
Fiadanana ety an-tany,
Ho an'ny olona ankasitrahany!
Ny hiran'ny voavonjy,
S'ireo mino marobe,
Hiran'ny anjely,
Hira mamy hoe:
Voninahitra any an-danitra,
Ho anao ry Andriamanitra,
Fiadanana ety an-tany,
Ho an'ny olona ankasitrahany!!!
M
--------
Rohy:
Sokajy :
Noely-Krismasy
