Mamiko ianao (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamy loatra mantsy 'lay teo anilanao,Mamy loatra koa ilay nofihininao,
Mamy loatra koa ilay notiavinao,
Mamy loatra ianao: ianao, ianao...
Ka raha mahatsiaro anao aho, dia aza omena tsiny,
Fa tena mamy loatra ilay orokao fahiny...
Tena mamy loatra 'lay omenao tambitamby,
Tena mamy loatra 'reo tsiky sangisangy...
Mamy loatra koa 'lay fahatsoranao:
F'ianao rehefa tia, dia tena hoe nitia...
Fitia mamy loatra ilay natolotrao,
Fitia tsy mety ho ritra mandrakizay doria...
Mamiko ianao, ka sarotra hadinoina,
Mamiko ny anaranao, satriko foana hantsoina...
Mamiko ny nofiko rehefa misy anao,
Mamiko ianao, satria 'zaho tia anao!!!
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
