Ampidiro aloha ny tenimiafina
MANDRAM-PIHAONA (Elysé Azrael)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io sarinao io sisa no azoko orohanaF'ianao lavitra any ka tsy azoko hatonina,
Veloma sy masìna, ary aza manadino,
Isika roa mbola hihaona : izaho manantena sady mino.
Raha sendra ianao tomany mahatsiaro ny fahiny
Dia tsarovy akia malala ity teniko ity:
Na dia sarahin'ny elanelana aza isika ankehitriny,
Dia efa voatokako ho anao irery ihany ilay fitia !
Dia veloma mandra-pihaona izany havako izany,
Aza asiana fanahiana raha ny momba ahy foana,
Izao fifandaozantsika izao hisy fetrany ihany:
F'isika roa mbola hihaona, any volana, any taona!
--------
Rohy:
