Mihira ny Natiora... (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Renao ve ny feony fa mihira ny natiora?Mihira moramora...
Mihira koa ny vorona,
Ho renao ny tonony raha ezahinao tomorina,
Fa mihira melôdia mamelombelona aina,
Mandrotsirotsy saina...
Mihira koa ny ala,
Mikalo mampahery ireo lavitra malala...
Mihira koa ny orana,
Mihira mampitony ireo misedra olana...
Mihira ny voahary,
Mihira ho an'ny fo voadona sy marary...
Mihira ny eto an-tany,
Sy ny any an-danitra any,
Fa hira tsotra ihany
Dia ho resy ny tomany!
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
Azrael666
