Tsy hanadino anao (Elysé Azrael)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hanadino anao sy ilay fitiavanao
zay mamy indrindra tamiko
f'ianao no ho filamatro,
ianao antom-pitsikiako sy anton'ny tomaniko
Ny hanadino anao? Tsy ho haiko hotanterahina!
F'ianao ilay nofy mamy satry foana hiseho,
ka ianao no mbola hotiaviko tsy sahin'ny foko hitsahina,
ka aminao hatrany no hanandratam-peo.

Ianao foana anie no tiako hatramin'izao
Ny anaranao dia mbola anara-masina amiko
Ny olona mitovy fitsiky aminao, ny olona mitovy hatsara aminao, ny olona mitovy fahatsorana aminao, ilay fitiavana mamy zay hitako aminao:
Tsy hitako aiza n'aiza manerana izao tontolo izao.

Satria mbola ianao ilay tsy haiko hadinoina,
mbola ny feonao no tiako hohenoina, mbola ianao no tiaka hatramin'izao!
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fitiavana
351 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134