Tiako loatra e! (fafah2007)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako loatra e!
Tiako loatra na tsiky iray monja,
Pi-maso kely toa tara-diamondra.
Tiako loatra ilay endrika sy bika,
Mafatifaty mampitsiriritra.
Tiako daholo na bika na volo,
Tsy zaraina fa izy manontolo.
Tiako loatra ho ahy irery,
Tena tiako princesse kely.
Tiako loatra fihetsika fiteny,
Fitiavako anao ombieny ombieny.
Tiako loatra ka tsy foiko intsony,
Ireo teny mamy avy ao am-pony.
Tiako loatra ho tokan’ny FO,
Tiako, tiako, tiako tokoa,
Tiako loatra e!!
--------
Rohy:
1441 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fafah2007
Nampiditra : rfabien2012
Daty : 28/01/2013 15:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137