fitia (fana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao anatiko ao dia misy fitia
Izay natokako ho anao
Fitia tsy nangalariko sanatria
Fa fitia tena avy ao am-po
Maro no milaza fa tsy natao ho ahy ianao
Tsy ho enoiko nefa izany
Satria aho mbola manana fanantenana
Fa natao ho ahy ianao ary tia ahy koa
Tsy sahy aho ilaza aminao ny haben’ny fitiavako
Satria matahotra aho fa tsara loatra ianao
Izaho anefa tsy dia manana omena
Afatsy ny fahendrena
Tsy hoe olo-masina aho akory
Fa manana faharetana fotsiny ihany
Ity misy lesona ampianariko anao
Efa ela ny foko no nitempo ho anao
Kanefa ianao toa lavitra ahy
Vao manantona anao aho
Dia ilaozanao toa ny tsy misy
Tsy nahakivy ahy anefa izany
Satria tsy misy lalina noho ny ahy
Raha fitia ho anao no resahina
Na ny tsikinao iray aza efa nianarako manokana
Mba ahafako mahalala anao bebekokoa
Tsy misy fihetsikao iray ka tsy nianarako
Mba ahalalako rehefa eo anilako ianao
Izay fihetsiko indray ambaboko anao
Ka rehefa ho tonga izay andro izay
Dia ampianariko mitia ianao
Ilay fitia tsy mba mivadika
Fa ilay mitoetra mandrakariva
Ka ifameno amin’izay isika
Fa tsy izao irery intsony sisa
Ka amorona tontolo iray vaovao
Ny fitiavana no anjaka aho
Manantena aho fa tsy ho ela
Dia ifanojo ny lalantsika sy ianao
Ka rivotra hafa no hitsoka
Hitondra ny vetsoko eo aminao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1599 1
Mpakafy: fanamperana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fana
Nampiditra : fanamperana
Daty : 16/03/2010 18:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0239