madagasikarako (fana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa volana maromaro izay no nandaozako anao ry taniko
Vo vetivety ihany izany nefa tsy foiko ianao fa mamiko
Ny ankaton’ireo tanananao
Ny atsaram_panahy misy ao aminao
Tao efa lavitra ery izany
Ho ahy aty alavin-tany
Matsiaro ny afananao sy ny fitiavana ao
Mahatsiaro ireo kalokalo izay fanao
Eny lavitra anao aho izaho
Zay vo tena tsapako fa tsy misy roa toa anao
Aty an-tany lavitra vo manembona ny ankantonao
Zay vo tena tsapa fa tanindrazana ianao
Ny firaisankiana ny fifanajana toa lavitra avoko ireny
Aty an-tany lavitra aty toa foana ihany izany
Afa ihany ny eo anilanao
Afa ihany I gasikara malala
Tsy misy afaka isolo anao
Nenina avokoa zay nolazaina hatrizay
Toy ireo faniriana hoe ahoana zany frantsay
Maro ny lesona izay nampitainao
Reny malala tokoa ianao
Taniko ianao taniko ahy irery
Ka n’inoninona hitranga ianao iany ianao hatrany
Tany niaviako ianao tany nahalehibe ary mbola tany iafarana
Ny fihavanana, ny fifanajana ianao ihany sisa no mahatana izany
Mbola lavitra ny lalana tsy maintsy ho diaviana
Nefa matoky aho fa mbola ahita anao
Hitondra ny anaranao manerantany
Ary izany rehetra izany dia fisaorana hatrany
Taniko ianao taniko irery ihany
Ka ireo izay milaza fa rava ianao
Tokony ho fantany fa mbola mitsangana ianao
Ary mbola ho ela vo ho adino ny fiasianao
Satria taniko ianao dia tsy foiko
Ary ahy ka tsy ho soloiko
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fana
Nampiditra : fanamperana
Daty : 15/03/2010 10:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134