Fantatro fa! (Fara Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatro fa!

Tsy hoe "tsara" ianao dia "tiako"!
Fa "tiako" ianao dia "tsara"!
Ka raha ny faniriako
Dia ianao no mba ho anjara!

Saingy faniriana ihany ny ahy;
Fa Izy Ray no mpandahatra.
Ary fantatro fa na izaho no tena ho sahy!
Dia ianao koa angamba mety hihahotra
satria mety hoe "matahotra"!

Ekeko fa betsaka ny tsara!
Misarika, manintona hahatara;
Saingy tsy nahababo ahy izany
Fa naleoko ianao ihany;
Ary ianao hatrany!

Ny zava-drehetra anefa misy fetra
Satria mandalo tsy hitoetra;
Fa fitiavana mitoetra ato am-poko:
Dia inoako fa tsy hiova loko;
Satria hokoloiko
Ary koa tsy hafoiko
Na koa ho soloiko!

Tsy hoe: "tsara, kanto, meva, soa, manintona, manaitra, misarika, mambambo,..." Ianao dia tiako!
Fa tiako ianao dia fenonao ny hatsarana rehetra !
N'inoninona koa toetra!
Ary fantatro fa zakako sy lefitro ary ekeko!
Raha mbola ny Foko sy ny fitiavako no nomeko;
ka izay mety ho faharatsiana ao aminao;
dia efa nekeko tsotr'zao!
Satria tiako sy mamiko ianao!

ANDRINIAINA.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1649 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fara Andriamamonjy
Nampiditra : ANDRINIAINA1
Daty : 30/06/2010 14:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142