Loharanon'aina (Fara Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto amin’izao tontolo izao no ahitana fahoriana
satana fahavalo koa miasa foana tsy mangina
manakivy, mampahory, mampijaly, mampisento
izany foana no ataony raha toa ka mbola eto

fahoriana sesehena no nandrerahany ny fo
torotoro, montsamontsana noho ny sento sy toloko
manafotra ny aiko ireo toloko sy adin-tsaina
mampahory, mampijaly ary koa mandreraka ahy

an-taonany maro aho no nikaro-java-tsoa
nitady zay mba fianana metimety kokoa
aiza re no misy izay atao hoe fiadanana ?
aiza re no ahitako ilay tena fahasambarana ?

Jesosy avy any Nazareta Ilay loharanon’aina
No ambarako aminao ry olombelo-mitaraina
Atolory Azy anie ny saina sy ny fo e
Fa ny hetahetanao dia ho afaka tokoa

Fa na iza na iza no misotro ny rano
Dia tsy hangetaheta mandrakizay
Fa Jesosy Kristy Ilay tena loharano
Izay miboika ao anaty mandrakizay

Izay misotro Azy no mifidy zava-tsoa
Tsy hangetaheta intsony fa tena ho afa-po

Fa n’aiza n’aiza enao no tonga mba hisotro
Ireo rano fantatrao
Hiverina hatrany ny hetahetanao
Ary dia hitady, hivezivezy foana ianao

Dia iny fa tsy tanty fa mitady hatrany
Kinanjo "hay" ilay rano teo ihany

Ny tena mahagaga dia tsy mety hafa-po
Fa mitady foana ny saina sy ny fo

Fa ambarako aminao, Ilay loharanon’aina
Dia Jesosy Kristy Ilay Tompon’ny aina

Koa atolory Azy re ny fanahy sy ny fo
Fa ny hetahetanao dia ho afaka tokoa

Koa raiso re Jeso ho Tompo sy Mpamonjy anao
Dia ho afaka tokoa ilay hetahetanao

Jesosy Kristy no manafa-pahoriana
Izy irery ihany no loharanom-pifaliana
Jesosy Kristy Andrian’ny fiadanana
Ao Aminy irery ilay tena fahasambarana

Averiko aminao indray :
Raiso Jesosy ho velona ao am-ponao
Dia ho afaka tokoa ilay hetahetanao.
--------
Rohy:
Sokajy : rindra - tsara - fitiavana
2236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fara Andriamamonjy
Nampiditra : tsikiko
Daty : 04/02/2004 18:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095