Fanalahidy (Felana Radoniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
?️?FANALAHIDY?️?

Misy lova iray avy amin'ireo razambe
Nifandimbiasan'ny taranaka hatrizay
Tsy inona izany fa ilay fanalahidy
Izay tsy novidiam-bola ary tsy azo hamidy.

Nisitraka azy io aho ka nahatsiaro sambatra
Izao ianao efa lehibe ka omeko anao indray
Ity fanalahidy ity ampiasao finaritra
Dia hiadana koa ianao ho toa anay

Mba fantatrao ve ny fomba hampiasana ilay fanalahidy
Andraso hatoroko anao hoe inona ilay hovohana
Ny fahasambarana ao an-tokantrano mantsy mety mihidy
Satria ireo olana maro be tsy mba azo hialana

Dia ny fanalahidy ry Bozy sy Koto no ampiasao
Tsy inona fa fitiavana, fifanajana, fifampiresahana hatrany
Ny mifampikitakita, mifanevateva, famonoana hialao
Satria manidy ilay fahasambaram-pianakaviana izany

Marina aloha tsy maintsy misy foana ny olana
Fa tsy isan'andro koa dia hoe ho avy foana ny orana
Ampiasao ilay fanalahidy omeko anao amin'izay
Dia ho hitanao fa io rahona io hisava indray

Ianao angamba mahita ny fiainana ato an-trano
Misy ihany ny adiady fa voalamina vetivety
Nampiasainay ilay fanalahidy fa tena tsy angano
Mifampiresaka izahay mifanaja dia nety.

Koa tiako hisitraka izany ianao anaka
Ary mba hampitampitao amin'ireo taranaka
Fa zavatra kely no ilaina mba hiadanana
Dia ilay fanalahidy Izay mora hananana

???? Diam-penin'i Felana Radoniaina????
--------
Rohy:
66 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Felana Radoniaina
Nampiditra : Felana04
Daty : 20/02/2024 13:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0551