Ny toky izay nifanomezana (Feno Ambinina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa madiva ho maizina ny andro
indro fa dify ilay masoandro
handeha aho hanao veloma anao.

Eny mandrapiaona
fa isika mety mbola hihaona,
Aza manahy fa izaho hahatsiaro anao am-panahy.

Eny toneo ny fo
ary aza malahelo koa,
fafao ny ranomaso
fa aza manaiky ho resin'ny ankaso,

Dia mahereza hatrany fa aza mitomany,
mino aho fa mbola hihaona isika indray andro any,
aza adino fa isika samy tia
ka vonona hiaraka ho doria.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
781 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Feno Ambinina
Nampiditra : lolokely
Daty : 10/07/2006 10:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136